Fitsidihana nataon’ny Amnesty International ho an’ny faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny

Tonga eto Madagasikara ary nitsidika ny Faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny ny Amnesty International, nanaraka ny zava-misy hiainan’ny mpifindra monina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.
Noho izany indrindra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny Amnesty International sy Andriamatoa Minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA ny Alakamisy 11 Jolay 2024 mahakasika ny rariny ara-toetr’andro mifandray amin’ny fifindra-monin’ny vahoaka any Atsimo makany Avaratra.
 
Ny tanjona dia ny fampahafantarana ny paikady hiadivana izao tranga izao, ary ny fepetra raisina ho fiarovana ny zon’olombelona.
Ny anton-dian’ny Amnesty International dia ny fijerena ny fanajana ny zon’olombelona, mamolavola ireo soso-kevitra ary manao fanadihadihana ho fampitahana ny any amin’ny firenen-kafa.

 

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————

Présents à Madagascar depuis une dizaine de jours, une équipe d’Amnesty International a effectué une visite dans le Sud et la région Boeny dans le but d’observer et comprendre la situation des migrants face au changement climatique.
 
Dans cette optique, une rencontre a eu lieu entre le Ministre Naina ANDRIANTSITOHAINA et Amnesty International le 11 juillet 2024 concernant la justice climatique liée aux déplacements des populations à Madagascar, notamment du sud vers le nord.
 
Les 2 parties ont échangé sur les politiques et moyens mis en œuvre contre ce phénomène, ainsi que les mesures pour la protection des droits de l’homme.
Amnesty International a pour mission d’observer le respect des droits de l’homme, formuler des recommandations et effectuer une analyse comparative des situations dans différents pays.