Famelabelaran-kevitra momba ny Programme National Foncier II

Tao aorian’ny fanolorana ny Programme National Foncier II (PNF II) teo anivon’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, dia nanao famelabelaran-kevitra teo anivon’ny Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) ny ekipa avy tao amin’ny Fonds National Foncier (FNF) izay notarihin’ny Tale Jeneraliny, Atoa RAZAFINDRATSIMBA Vonjy, ary notronin’ny Tale Jeneralin’ny Fananan-tany mpisolo toerana, ny 11 jolay 2024 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany Anosy.
Nazavaina tao anatin’izay ny lalan-tsaina nentina namolavolana io teti-pampandrosoana momba ny fananan-tany io.
Anisan’ny voakasika mivantana amin’ny fampiharana izany Programam-panjakana izany tokoa ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany, ary izany indrindra no anton’izao fihaonana izao, izay nafahana nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra isan’ambaratongany.

 

Nararaotina ny fihaonana mba hampitàna izay mety ho fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa entin’izao programam-panjakana izao.