Tontosa ny alakamisy 11 jolay 2024 tao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny (MAE) Anosy ny « Andro Afrikanina ho an’ny Ady amin’ny Kolikoly » (JALCC). Hiarahan’ny ministera maromaro ao anatin’ny gouvernemanta malagasy, ny Bianco ary ny fikambanam-be ny Afrikanina (UA).
Natao nandritra ity andro Afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly ity ny ady hevitra an-databatra boribory niarahana tamin’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO sy ireo Tale samy hafa eo anivon’ny ministera tsirairay. Noresahina tamin’izany ireo sampandraharaha tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly (CBGLCC) eo anivon’ireo ministera 9 voakasik’izany. Nitohy tamin’ny fitsidihana ireo trano eva mandray anjara amin’ny fampiratiana izany.
Ministère 9 no efa manana ny PILCC (Politique Interne de lutte Contre la Corruption), tafiditra ao anatin’izany ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ary mandray anjara amin’ny fampiratiana momban’ity ady amin’ny kolikoly ity, izay atao ao amin’ny MAE ihany.
——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————