Ao anatin’ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana naroson’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia tsy misy kaominina ho adino.
Omaly no nanatanterahan’ny MFFT ny fanokanana ireo fotodrafitrasa ao amin’ny distrikan’Ambanja. Ka ny kaominina Ambalahonko, Antsakoamanondro ary Maherivaratra, no nahazo tombony tamin’ny trano fianarana feno fitaovana (EPP, CEG), trano fidiovana sy vovon-drano fisotro madio. Ireo fotodrafitr’asa ireo dia novatsian’ny Fanjakana Malagasy sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antonka alemana (KfW), ao anatin’ny fandaharan’asa PDCID izay tontosain’ny FDL.
21 ny isan’ny trano sekoly misy fampitaovana notanterahina tany amin’ny Faritra DIANA sy BOENY tamin’ity taona 2024 ity. Ary mbola misy 11 ny fotodrafitr’asa eny ifotony an-dalam-panatanterahina (birao, tranom-pokonolona,…) sy fotodrafitr’asa madinika eny an’ivon’ny kaominina miisa 40 ao anatin’ilay tetik’asa PDCID KfW II.
Tetsy andanin’izay dia nizara drafitra ifoton’ny fanajariana ny tany iraisan’ny kaominina (SAIC) sy PALOSS ho an’ny kaominina 9 ao Sambirano ihany koa ny ministera, ka nanamafy ny fandrindrana ny fampandrosoana voafehy sy azo antoka.
——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————–
Dans le cadre de la politique de décentralisation prônée par le Président de la République de Madagascar, aucune commune ne doit être laissée en marge du développement.
Hier, le MDAT a procédé à la remise d’infrastructures socio-économiques de base dans le district d’Ambanja. Les communes de Ambalahonko, Antsakoamanondro, et Maherivaratra ont ainsi bénéficié de bâtiments scolaires (EPP, CEG) entièrement équipés, de blocs sanitaires, et de points d’eau potable. Ces réalisations ont été financées par l’État malagasy et la coopération financière allemande (KfW), dans le cadre du programme PDCID mis en œuvre par le FDL.
En 2024, 21 bâtiments scolaires ont déjà été construits dans les régions de DIANA et BOENY. Pour cette même année, la phase II du programme PDCID prévoit la mise en œuvre de 11 nouvelles infrastructures socio-économiques de base, ainsi que 40 infrastructures communales de petites envergures.
En parallèle, le MDAT a également distribué des Schémas d’Aménagement Intercommunale (SAIC) et des Plans d’Aménagement Local Simplifié et Sécurisé (PALOSS) à 9 communes du Sambirano, renforçant ainsi la planification locale pour un développement maîtrisé et sécurisé.