Fidinana ifotony nataon’i Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina sy ireo delegasiona miaraka aminy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

Tohin’ny fidinana ifotony nataon’i Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina sy ireo delegasiona miaraka aminy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana dia tsy hadinony ny nitsidika ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fandrefesan-tany sy Fananan-tany ary Fanajariana ny tany tao Vangaindrano sy Farafangana.
Nisy ny fifanankalozan-kevitra izay nahafahan’ireo mpiara-miasa rehetra niresaka nivantana tamin’ny Andriamatoa Ministra ny olana sy ny hetahetan’izy ireo.
Nohamafisina tamin’izany fa tsy ho atao anjorom-bala ireto « Circonscriptions » ireto. Ary nampatsiahivina hatrany ny hafatry ny FILOHAM-PIRENENA hoe mila arovana amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy ka amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika faobe Titra sy Karatany no anehoana izany.
Koa, ezaka imasoana ny hamitana ny PLOF rehetra ao amin’ny faritra amin’ity taona ity, torak’izay koa ny fanavaozana ny fomba fiasa ho ara-kajy mirindra. Ary hojerena manokana moa ny fitaovana mifanaraka amin’izany.

 

Nanome toky sy nampiseho fahavononana moa ireto mpiara-miasa rehetra mba tsy handraraka ilo mby an-doha fa manana Lehibe mpitarika mitsinjo ny mpiara-miasa.

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————

Le Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire, accompagné de sa délégation, a récemment visité la région d’Atsimo Atsinanana, couvrant les villes de Vangaindrano et Farafangana. Lors de cette descente, une rencontre constructive a eu lieu avec les collaborateurs des services topographiques, fonciers et de l’aménagement.
 
Au cours de cet échange direct, les responsables régionaux ont partagé avec Monsieur le Ministre les défis quotidiens auxquels ils sont confrontés. En réponse, le Ministre a réaffirmé son engagement à ce qu’aucune circonscription ne soit désormais négligée. Il a également rappelé les promesses du Président de la République de restituer et protéger chaque terrain des citoyens malagasy.
 
Pour cette année, une priorité sera donnée à l’opération PLOF (Plan Local d’Occupation Foncière) dans cette région, ainsi qu’à la dématérialisation des procédures. Les équipements nécessaires pour ces initiatives seront pris en compte .