Fihaonana niarahan’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ireo ben’ny tanàna 98 anatin’ny distrika 5 ( Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Sud, Befotaka Sud) mandrafitra ny Faritra Atsimo-Atsinanana.

Tontosa ny Alatsinainy 01 volana Jolay 2024 tany Vangaindrano ny fihaonana tamin’ireo ben’ny tanàna 98 anatin’ny distrika 5 ( Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Sud, Befotaka Sud) mandrafitra ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany.
Nohamafisina fa manana adidy goavana izy ireo amin’ny fampandrosoana ny Kaominina. Ary anjaran’ny MFFT kosa ny manome tantsoroka ara-teknika.
Koa izany indrindra no nanomezana ny PLOF (Plan Local d’Occupation Foncière) na koa saritany mitambabe ahitana ny satan’ny tany rehetra ao amin’ireo kaominina 43 ireo.
Santatra am-bavarano ireo satria dia tsy hisy kaominina ho adino.
Ezaka tsy maintsy hapetraka koa ny SLC (Structure Locale de Concertation) sy ny SAC (Schéma d’Aménagement Communal).
Noresahana ihany koa ireo dingana arahina hanokanana BIF (Birao Ifotony Fananan-tany), ny famokarana Karatany na dia tsy manana BIF aza.
 
Nitohy tamin’ny Fihaonana tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana teny an-toerana moa ny dian’ny Ministry ny MFFT sy MTM izay mpiahy manonkana ity faritra ity.