Fiofanana an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina momban’ny teti-bola ara-pandaharanasa (Budget de Programme) niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany amin’ny alalan’ny INDDL sy ny Programa RINDRA

Notanterahina tao Foulpointe Faritra Atsinanana ny 08 hatramin’ny 12 Jolay lasa teo ny fiofanana an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina momban’ny teti-bola ara-pandaharanasa (Budget de Programme) niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany amin’ny alalan’ny INDDL sy ny Programa RINDRA miara-miasa amin’ny USAID sy ny PNUD.

Mpandray anjara 18 no tonga nanatrika ny fiofanana izay nahitana Trésorier comptable (TC), Comité d’appel d’offre (CAO), Secrétaire comptable (SC), Dépositaire comptable (DC) ary Maires avy amin’ny kaominina efatra izay ahitana an’ny CR Vohitranivona, CR Ampasimadinika, CR Andondabe, CR Ampasimbe-Onibe

Ny tanjon’ny fiofanana ny hanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny Kaominina amin’ny fananganana teti-bola ara-pandaharanasa

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————

La formation des responsables de la commune sur le Budget de Programme s’est déroulée à Foulpointe dans la région de l’Est du 08 au 12 juillet en collaboration avec le ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement et du Territoire à travers l’INDDL et le Programme RINDRA : USAID et PNUD.
 
18 participants ont assisté à la formation dont le Trésorier Comptable (TC), le Comité d’appel d’offre (CAO), le Secrétaire Comptable (SC), le Dépositaire Comptable (DC) et les Maires de quatre communes à savoir la Commune Rurale de Vohitranivona, CR Ampasimadinika, CR Andondabe. , CR Ampasimbe-Onibe
 
L’objectif de la formation est de renforcer la capacité et les compétences des responsables communaux.