Mikendry hatrany ny mangarahara sy ny fanamorana ny asa fandrindrana eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny fananan-tany ny MFFT, indrindra eo amin’ny fahazahoana ny taratasy fanamarinana sy ny sarin-tany. Koa dia tonga nijery akaiky ny fandrosoan’ny asa tany amin’ny distrikan’i Nosy Be, ny delegasiona avy ato amin’ny minisitera omaly. Ny tanjona amin’izany moa dia ny fametrahana rafitra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra eo amin’ny fikirakirana ny taratasy.
Araka ny antontan’isa voahangona mantsy dia 8% ny taratasy momba ny tany no rovitra izany hoe 18 168 no mila havadika ho nomerika. Eo amin’ny sehatra nasionaly kosa dia 20% ny boky sy ny sarin-tany no rovitra . Amin’ny ankapobeny dia miisa 10.000 ny fangatahana fanamarinana ny fananan-tany sy 20.000 ny sarin-tany mitokana no zarain’ny farim-piadidian’ny fananantany isan-taona.
Ary marihana fa raharaha momba ny adin-tany miisa 1000 isan-taona ihany koa no tsaraina eny amin’ny Fitsarana.
Miisa roa kosa ny sampan-draharaha ny fananantany no efa an-dalam-panatanterahana amin’izany fanovana fomba fiasa izany, anisan’i Antananarivo renivohitra sy Nosy Be .
——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————–
Dans le cadre de l’amélioration de la gouvernance foncière, visant à rendre la gestion des terres plus transparente, accessible et efficace tout en sécurisant les droits fonciers des citoyens, une délégation du Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire a effectué, hier, un suivi des travaux de dématérialisation des titres fonciers et des plans individuels à Nosy Be.
Selon les statistiques recueillies, 8 % des documents fonciers sont détériorés, et 18 168 documents sont en cours de dématérialisation à Nosy Be. À l’échelle nationale, 20 % des livres fonciers et plans sont détériorés . Par ailleurs, environ 1 000 litiges fonciers sont traités chaque année par les tribunaux compétents.
Les services fonciers d’Antananarivo Ville et de Nosy Be sont actuellement en pleine phase de dématérialisation.
En moyenne, une circonscription foncière délivre chaque année environ 10 000 certificats immobiliers de situation juridique (CISJ) et 20 000 Plans Individuels (PI).