Première réunion du Comité de Pilotage Local du projet PADEVE 2

Tontosa ny 2 Jolay 2024 ny fivoriana voalohan’ny « Comité de Pilotage Local » ny tetikasa PADEVE 2 izay vatsin’ny Agence Française de Développement (AFD) teto amin’ny tampon-tanànan’i Fianarantsoa, izay ankatoavana ireo fotodrafitrasa ho tanterahina ao anatin’ny 5 taona manaraka.
Marihana fa tanan-dehibe 6 no misitraka ity tetikasa PADEVE2 ity eraky Madagasikara, anisan’izany ny Tananan’i Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliara.

Maro karazana ireo fotodrafitrasa ho atao amin’izany tetikasa izany, anisan’izany ny fanamboarana tsena, fanamboarana lalana, fanatsaràna ireo sehetra maintso iombonana, fanamboarana ireo fampitaovana isan-karazany ilaina eny an-tanan-dehibe.

Raha ny mahakasika an’i Fianarantsoa manokana dia mitentina 7,3 tapitrisa euros ny vola natokana ho azy. Izy rahateo ihany koa dia efa nisitraka ny tetikasa PADEVE andihany voalohany.
Ka fanamboarana ny tsena Anjoma sy Besorohitra no anisan’ny asa goavana tanterahina ankoatra ny lalana isan-karazany.

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————

La première réunion du Comité de Pilotage Local du projet PADEVE 2 financé par l’Agence Française de Développement (AFD) s’est déroulée le 02 juillet 2024 à Fianarantsoa afin de valider les travaux d’infrastructures à mettre en place pour les 5 ans à venir. Six grandes villes, à savoir Antsiranana, Majunga, Tamatave, Antsirabe, Fianarantsoa et Tuléar, profiteront du projet PADEVE 2.
 
Toujours dans l’optique d’améliorer les conditions de vie des populations des centres urbains des provinces de Madagascar. Plusieurs Travaux d’Infrastructures et Équipements Divers seront effectués, tels que la Réhabilitation des marchés et drains principaux ainsi que les espaces verts.
 
Pour le cas de Fianarantsoa, 7,3 millions d’euros seront attribués à la ville, incluant l’aménagement des marchés d’Anjoma et de Besorohitra